Ravenala

Ny Ravenala dia vondron-karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Strelitziaceae, ao amin' ny filaharana Zingiberales, teratany eto Madagasikara. Noheverina ho tokan-karazana ny antoko Ravenala Adans., saingy ny fikarohana taty aoriana dia nampiseho fa manana karazana enina hafa izy io. Amin'ny teny malagasy dia atao hoe ravinala ny karazana ao aminy.
Taksônômia
[hanova | hanova ny fango]Ny karazana ao anatin' ny vondrona Ravenala dia tsy iray fianakaviana amin' ny rofia (Arecaceae), fa anisan' ny fianakaviana Strelitziaceae. Mifandray akaiky ity vondrona ity amin' ny Strelitzia (teratany any Afrika Atsimo) sy ny Phenakospermum (teratany any Amerika Atsimo). Ao anatin' ny fanasokajiana sasany efa tranainy kokoa, ireo vondrona ireo dia tafiditra tao anatin' ny fianakavian' ny akondro (Musaceae).
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Noheverina ho tokan-karazana (Ravenala madagascariensis) ny vondron-karazana Ravenala, teo aloha, nefa ny fikarohana natao teto Madagasikara taty aoriana dia nampiseho tamin' ny taona 2021 fa misy ny karazana enina izy io. Inty ny lisitry ny karazana ao aminy:
- Ravenala agatheae Haev. & Razanats.,
- Ravenala blancii Haev., V. Jeannoda & A.Hladik,
- Ravenala grandis Haev., Razanats, A.Hladik & P.Blanc,
- Ravenala hladikorum Haev., Razanats., V. Jeannoda & P.Blanc,
- Ravenala madagascariensis Sonn.
- Ravenala menahirana Haev. & Razanats.