Hankany amin'ny vontoatiny

Ikopa

Avy amin'i Wikipedia
Ikopa
velarantany18 550 km2 km2
Halavany300 km km
Vava-
LoharanoVarahina
FirenenaMadagasikara
Fanjakanamalagasy
FaritanyAntananarivo
ikopa

Ikopa dia iray amin'ireo renirano lehibe eto Madagasikara. Mamakivaky ny tanànan'Antananarivo, ao amin'ny Faritra Analamanga sy ny Faritanin'Antananarivo izy, ary mivarina ao amin'ny reniranon'i Betsiboka faritanin'i Mahajanga izay mipaka hatrany amin'ny ranomasin'ny faritra avaratra andrefan'ny Madagasika ny reniniranon'ny Betsiboka izay hivarinan'Ikopa. Any Angavokely, ao amin'ny Distrikan'Andramasina, no misy ny loharanony antsoina hoe Varahina, izay any amin'ny haavo 1 810 metatra ambonin'ny ranomasina[1].

Mirefy 300 km eo ho eo ny halavan'ny Ikopa ary mahatratra 18 550 km² ny velaran'ny fari-dranony (bassin versant). Anisan'ny renirano manan-danja indrindra ao amin'ny faritra afovoan-tanin'i Madagasikara izy, satria mandray sy mampita rano avy amin'ny renirano sy lakandrano maro manodidina an'Antananarivo[2].

Ny reniranon ' Ikopa

Ankoatra ny maha-zava-dehibe azy eo amin'ny tontolo voajanahary sy ny tambajotran-drano, dia manana anjara toerana lehibe eo amin'ny famokarana angovo naherin'aratra koa Ikopa. Ao aminy no misy ny toby famokarana herinaratra avy amin'ny rano ao Antelomita, izay isan'ireo tobim-pamokarana herinaratra mahery vaika indrindra ao Madagasikara. Ny manodidina ny reniranon'Ikopa dia ahitana tontolo voajanahary sy lemaka midadasika izay manampy amin'ny fambolena sy ny fiainan'ny mponina. Noho izany dia loharanon-karena ara-tontolo iainana sy ara-toekarena lehibe ho an'ny faritra lalovany ny reniranon'Ikopa.[3]

Fanazavana fanampiny amin'ireo riandrano lehibe lalovany sy ny fiafarany

[hanova | hanova ny fango]
Ikopa eo amin ' ny tetezana Tanjombato

Hatramin'ny fihaonan'ny renirano Varahina Avaratra sy Varahina Atsimo ka hatrany amin'ny fidirana ao amin'ny lemak'Antananarivo, dia mikoriana 20 km ny renirano Ikopa. Mitongilana 3,75 m isaky ny kilometatra ny lalan-dranony. Mandalo eo amin'ny riandrano roa ao Antelomita izy, izay mitotaly 36 m ny haavony. Namboarina tsikelikely ireo tobim-pamokarana herinaratra ao Antelomita: ny Antelomita I tamin'ny taona 1909, ary ny Antelomita II tamin'ny taona 1928[4].

Rehefa avy mihaona amin'ny renirano Andromba ao Bevomanga, dia mahatratra 4 190 km² ny velaran'ny faritra iangonan'ny ranon'Ikopa.

Reniranon ' Ikopa

Manomboka eo Bevomanga, dia mikoriana ao anaty lalan-drano be vatolampy ny Ikopa. Nisy asa fanapahana sy fanalana vatolampy natao tao mba hahafahan'ny rano be mikoriana mora kokoa. Izany dia natao satria matetika ny tondra-drano no nampisondrotra ny rano ka nanondraka ny manodidina an'Antananarivo, ka nanimba ny tanimbary sy ireo faritra iva ao an-tanàna.

Ao Farahantsana, izay faran'ny tapany ambony amin'ny fari-dranon'Ikopa, dia misy fidinana mitambatra 33 m. Efa nisy fanadihadiana nataon'ny Electricité de France momba ny fomba hanararaotana io toerana io.

Any Farahantsana, dia mahatratra 4 370 km² ny velaran'ny faritra iangonan'ny ranon'ny renirano Ikopa manontolo[5].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]